... Tsy izaho ... (Fanaperana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza terenao aho mba hanaiky mora foana ny fiverenanao,
aza dontoinao ny saiko hoe : " mifamatotra aminao ny fiainako "
Tsy afa-miaina aho raha tsy misy anao ,
Fa hainao tsara ny marina hoe: Niova aho

Tsy 'zaho intsony ilay tovovavy fantatrao fahiny ,
eny ! Tamin'ireny aho tonga dia mipetraka vao treromina
Tamin'ireny aho milefitra vao betrohana ,
dia mifona eny fa na tsy hadisoako aza ...
Hahaha....
ireny ho'aho fahabadoana fony aho mbola zaza e!!

Fa androany 'ndao hifanandrina raha tena bandy ,,
'Zaho aza rahonana hoe : " very aho raha tsy misy anao mitantana'
tsy pahana aho fa hitako ny lalana .... dia aleo hisampana
Sao ianao indray no haratra ...

Dia jereo tsara amin'izato maso be mibaribary
Tsy very aho ,, tsy mijaly fa mahay miaina tsara
Eny fa na tsy misy anao aza.....
Fotsiny fantaro fa ...
Ny tena nanenenako , dia ny fotoanako very sy laniko tamin'olona toa anao

Fanaperana
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
32 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fanaperana
Inséré par : Domoina Fitahiana
Date : 17/10/2024 10:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148