TSIARO (Fara Mananjandry)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaro

1947 – 2008

Tsarovy anaka, aza adino,
fantaro hatrany, halalino
ny tantaram-pirenena
f’aza manaiky horebena
amin-javatra disoina.
Ny marina dia novonoina
ireo nitaky fanafahana
ny tanintsika nozanahana.

Mbola adidinao hatrany
ny fahatsiarovana an’izany.
Koa aza anisan’ny adala,
ka hinia tsy hahalala
ny vono moka izay natao
tamin’ireo razanao,
na hihavana amin’ny fahavalo
namono nefa tsy mivalo.

Tsy tsiaro fe tsiaro,
fa mbola misy asa maro
tsy maintsy andraisanao anjara
ho an’i Madagasikara.
Ny fahaleovantena feno
sy fiandrianany avereno,
izay vao handry fehizay
ireo nitolona hatrizay.

Fara Mananjandry
Mayotte, sabotsy 23 febiroary 2008
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
1441 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fara Mananjandry
Inséré par : vahindanitra
Date : 17/04/2008 11:30
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147