TSY TIA... (FARA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza atao mahakivy, na mampiondri-doha
Ny vavan’ny tsy tia.
Aza atao maha ketraka, na mampiova akory,
Satria ho leo ireo.

Tsarovy f’eto an-tany tsy ilaozan’izy ireny.

Aza atao mampitofezaka, mampirotsaka tomany
Fa fialonana daholo no ao an-dohany ao.
Mikatraka hatrany ny hamingana anao.
F’any afara ho foana ireny.

Tadidio fa....

Na ilay noheverina ho sakaiza,
Namana tsy adino
Na ireo hafa manodidina anao
Tsarovy fa mpamadika,
Tsy misy hafa akory.

Tanjona iray no miaraka kendreny :

Hanenjera anao.



FARA
03 Jona 2005.
--------
Lien:
Catégorie : Fampaherezana
1775 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : FARA
Inséré par : Pety
Date : 18/03/2008 11:54
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132