INDRISY...(tohiny) (felandefona)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy re ry aikoFa toa tsy afaka ato an-tsaiko
Ireo lasa nijaliako
Izay nampitoloko
Mikiky ny ato am-poko
Manditsoka ny masoko
Mahakotsa ny tavako
Mampitaraina ny vavako
Nandramako nesorina
Nezahiko nendahina
Toa zava-poana
Lasa ihany ny fotoana
Koa miangavy aho mitalaho
Inona no azoko atao
Hanadinoako ny fahiny
Hanatrehako ny ankehitriny
N.A.F
--------
Lien: