*NGIDIN'NY FIAINAKO* (fy kalo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko ny hanambaraNy ngidin'izato fiainako
Eny,tsy vitako ny hitantara
Ny mangidy izay niainako
.
Tsy fizarana hafaliana mantsy
Fa toloko sy fitarainana
Tsy fantatro ny mamy
Fa ny mangidy ny ahy no iainana
.
Tsy tambitamby na teny mamy
No reko hampionona ny fo
Fa latsa sy teny mankarary
Tena mafy saingy atao ahoana moa
.
Tsy mba tsiky no mitsena
Raha mba miezaka hanao ny tsara
Fa endrika sorena
Dia izay no azo ambara
=>fy kalo (rahelison ravakiniaina domoina)
--------
Lien: