manana sy ory (fyfty unilah )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fiainana eto an-tany
No lazaina indray mitopy
Dia mizara roa hatrany
Ao ny faly sy kamboty

Ao ireo manan-katao
Sasa -miahy ny harenany
Ka ny kely anananao
Dia bodoiny ary ferany

Tsy avelany hisondrotra
Fa sakanany hatrany
Dia iny ianao miforitra
Ka ory mitomany

Fitiavan-tena no manjaka
Tsy mijery anao madinika
Satriny foana hahazo laka
Manao bontolo tsy mandinika

Raha ny ory no mba miezaka
Dia sakanana rahonana
Raha handia birao mitofezaka
Matin'ny fatahorana

Hany heriny mangina
Miandry izay ho anjara
Notampenana ka sina
Tsy hifantina izay tsara
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1429 3
Fans: fyftyr - meline - Iriantso
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : fyfty unilah
Inséré par : fyftyr
Date : 09/08/2014 11:53
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118