ANTSO (Hary MDK)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa renao ve ireo feo maro be Miantsoantsoa
Mitaraina
Mila vonjy
Hoe soraty raha mety
Na dia ny fahoriako iray monja
Ireo jaly mandrakotra ny Aiko
Ity aretina tsy misy farany
Mitaraina izy mba hafao
Na dia iray sengotra aza ny fitsaharany
Ireo zanany mandinika
Tsy misy mandeha any antsekoly
Satria ny entinimanana tsy ampy
Tsy mahavoavidy na ny lamba hitafiany
Fa tapatapa damba natambatra
No hany hisaloran'izy mianakavy
Rehefa Tonga ny fahavaratra
Dia efa miverotraina indray
Fa Ilay Trano bongo
Tsy mazaka orambatra sy tafio-drivotra
Ka hatahorany hirodana
Rehefa tsofindrivotra
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina - Fiainana
