Ho an'i Neny (Hary MDK)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny o! Niaritra ny mafy ianao
Hatrizay ka hatramin’izao
Tsapako ireo kiry sy ezakao
Tsy nitaha mihepaka
Na nitaraina sy nitalaho
Fa niasa tam-pitsikiana

Nozarainao fitiavana izahay
nokarakarahinao toy ny zana-bahoaka
Raha misy aza ny ditranay
Ianao teo foana fa tsy mitsoaka

Aza manahy fa tsy hadinonay ireny tambitamby sy hanatra maro
Nataonao tamim-pitiavana
Tsy mba misy takalo
Ho Hendry izahay
Mba ho solon’izany
Mba ho fantatr’ireo mpanaratsy atsika
Fa mirehareha ianao, manana zanaka hendry sy tafita.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
188 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Hary MDK
Inséré par : 2004
Date : 04/11/2025 08:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113