Injao tomany ny ao am-poko (Il pleure dans mon cœur, Verlaine) (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao tomany ny ao am-pokoInjao tomany ny ao am-poko
Toy ny orana etoana ;
Inona àry ity misoko,
Alahelo toy ny ahoana ?
Ô, ry Feon'ora-mitsitaika
An-tokotany, ambony tafo !
Ny foko tofoka tsy laitra
Ô, ry Kalon'orana tsy miato.
Tomany toa tsy hay fiaviana
Ny foko mihamalefolefo
Moa nivadihan'ilay tiana ? ...
Tsy fantatra ny isaonany eto.
Mangidy indrindra, manaintaina
Ny tsy mahafantatra hoe nahoana
Tsy misy tiana na ankahalaina
Ny foko ange mijaly foana !
Heriarilala Andriamamonjy
10 Oktobra 2026
(Andrana dika teny ny tononkalon'i Verlaine)
--------
Lien:
