FEFY (Ilo NANAHARY )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FEFY...
An-taona maromaro,no niarahantsika roa.
Nivoady ho doria,sy ho fitia lamban'akoho ka...
Faty no hisarahana!
Voadingan-tsika roa,ny tonon-taona nifandimby
Niara-nisafidy,sy niaraka nilofo
Dia resintsika teny koa ny rivotra mifofo...
Nanambana handrava,
Handrava moramora ilay fiarahantsika
Handrava ilay masoandro, 'zay efa nibaliaka...
Saingy...
Rava teny ihany,'lay andram-panombohana
Ny saranga tsy nitovy,no sakana voalohany...namita ny tantara
Ny antsika koa tsy anjara...
Kanefa nanampikasana,hanohy ny efa vita
Dia ravarava teny,ny fiarahantsika
Na aza efa niezaka nanangana aro-fanina
Niezaka nanarina,ny rava rehetra rehetra
Saingy ny saranga,no zary toa nametra ny anjara sy ny lahatra
dia rakotra haizim-pito,'lay hazavana 'zay tomaratra
Nidify ilay masoandro...
Dia maizina koa ny andro
Ny saranga tsy mitovy no ady manoloana
Handresy sa...ahoana?
NANAHARY ilo
23/09/22 17:25min hariva
--------
Lien:
