Eny hoy aho ry angidina (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY HOY AHO RY ANGIDINA,

Eny hoy aho ry angidina
Raha ny tratranao no tazanina
Toa matavy ery
Fa raha ny rambonao no jerena
Tena mahia
Ary elatra ianao ka manidina
Saingy tsofin'ny rivotra dia any an-kady
Malomalo-maraina hoy aho ny ety
Tsy manjavona nefa manjombona
Izaho marina ity
No manasa lamba manify
Atao mafy toa ho rovitra
Atao malemy tsy ho afa-tseroka
Tsikovo-dohataona e
Manidina lanin'ny vorona
Mipetraka lanin'ny akoho
Hiresahana ianao toa hahitan-doza
Avela anefa manara-damba

Imbitika Rambala - 05/09/19
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
24 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123