Ireto soratsoratro ireto (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRETO SORATSORATRO IRETO

Ireto soratsoratro ireto
Tsy taraina fa sento
Senton’ilay miala vonkina
Satria rehefa ka voahodina
Izay mba safidiny
Dia nampifihana ny ngidiny
Sy nofinitaka ary nandaingaina
satria nanantena ka nangaina
Hany ka ny niafarany dia nitolona
Ary nanao ny tenany ho sorona

Ireto soratsoratro ireto
Tsy taraina fa sento
Senton’ilay verivery saina
Fa nisolokiana nambakaina
Fa eto an-Tanindrazany hono
Tsy mba misy kifonofono
Fa Fitondrana tena mety
Tsy mba misy fetsifetsy

Ireto soratsoratro ireto
Tsy taraina fa sento
Senton’ilay tsy vizana
Fa ny tolona hotohizana
Satria ny finoako tsy very
Izaho koa tsy irery
Ao ireo manangona ny hery
Mbola miandry tsy miteny
Fa mbola manantena
Ny tena fihavotam-pirenena

Ireto soratsoratro ireto
Tsy taraina fa sento
Santon’ilay tsy kivy
Satria izao no haiko fa adidy
Ho an’ny Tanindrazana
Ka na tsy hisy hahatazana
Na tsy hisy hamaky firy
Na hariana an-jaoridiry
Dia tsy misy mampanenina
Raha mbola misy Bemarenina

Imbitika Rambala - 09/07/26
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
15 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0456