Kinaikan'ina ? (Imbitika Rambala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KINAIKAN'INA ?

Ny anajana ny Razana
Tsa dia hoe fanompoan-tsampy
I r'ireo raha tsa mba notambazana
Sy niezaka hanagnanao ny ampy

Eko doroy aby ary moa ny sariny
Nampinono anao sy agnao vana kely
Minga aminao tokoa dia rariny
Ny hitsipaka fa tsa natera-dreny

Sy izao agano vory saigna lava tomboka
Dia razan'olon-kafa no hasignina
Vitanao ny manilika manongotsa
Ny kolontsaintsika ho tsinontsinona

I r'ireo raha tsa mba nanda ny lanitsa
Nino koa ny fisian-Janahary
Eko ina marina roa no tsa aritsa
No hoe soa ny an'olo fa ny an-tena tsa manjary

Hatramin'ny Tanindrazana aby
Ro lavin'ny sagnany hoe tsa i
Fa domelon'ina loatra no dia sahy
Mifandrafy amin'ny maty toa ity

Fa ia ro nilaza, ia koa ro nandrombo
Taitsan'ina ro manary ny an-tena
Ny lohasaha tsa manao kilombona
Fa Andriamanitsa ao ambony ro jirena

Imbitika Rambala 04/01/21
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
98 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012