Ny havana (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HAVANAMba sambatra lahy itony ambiaty
Ririnina tsy mba mihintsana
Lohataona mamelana foana
Fahavaratra mandrobona aok’izany
Ataovy toa izany ny fitiavan-kavana
Aza atao hoe :
Soasoa no ataon-drahavana
Ka dia tsiriry mpiandry farihy izahay
Hitsikitsika mpandry tanàna
Sarivazo tsy mandao havana
Fa raha ratsiratsy ny ao amin-drahavana
Dia tsiriry vorona izahay
manifi-drano dia lasa
Aleonay monina an’anosy
Fa sao hampivoady andro hariva
Aza omena ambiny ny havana
Aza omena sisa
Fa ny soa atao an-kavana
Tsy mba sitraka andro nanaovana azy
Ary aza tia havan’olona
Ka mankahala ny havan’ny tena
Fa ny olon-kafa ange ka vary aloha e
Satria ny olon-kafa manana ny azy
Ny havan’olona toa rano an-tamim-bato
Jerena manjelatra
Tovozina tsy ahazoana
Koa
Ny fitiavan-kavana tsy boraborahina
Satria toy ny voara malandilandy
Raha vakiana feno aloy
Ny anatra ataon-kavana
Dia anatra soa maharary
Tsy mba anatra fa ody aina
Mahareta ny ratsy antaon-kavana
Ary mahandrasa ny soa mbola ho avy
Fa ny heloka ibabohana mody rariny
Koa
Asakasakareo mahavita ratsy amin-kavana
Fa izay mahavita be no manenina
Imbitika Rambala - 02/01/2020
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana
