Tsenao aho (Imbitika Rambala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy himalo aho na dia lefaka dia lefakaFa tsy ravoravo atentina ny fitiavako anao
Olombelona kanefa vakavaka raha miresaka
Vitsika mitaom-balala e miangavy mba tsenao
Olombelona isika na izaho na ianao
Ny fitia re ry anona tsy atao am-boro-damba
Fa mety ho very hasina - tsy hatao kilalao
Ka ny toky izay nomeko tsy toky rambaramba
Aoka anefa tsy ho diso hanantena paradisa
Toa jaka ihany akia ny fitia izay atolotro
Hisy mantsy ny fotoana izay ho marisarisa
Na ny "ny tiako ianao"aza mety tsy ho voatonoko
Tsy ho manga hatrany koa akia ny lanitsika
Eny an-tsefa-dalana eny mety hisy hasorenana
Montsom-bady re ireny filan-toky fa tsy ditra
Fa ny fitia nomeko anao fitia ts'isy hanenenana
Koa raiso aho raha solafaka
Fa hotsenaiko ianao raha tsy afaka
Imbitika RAMBALA - 15/01/18
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
