Inome (Injato)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Inome!!Inome!!"Sambany reko,
Toa zary nofy,
Fanampin'anarana Antanosy,
Teny Esokaka nandrotsirotsy,
Manakoako hatrany Soavary,
Manetsetra ny any Analamary,
Manongilan-tsofina i Bevoay,
Manatenina,Ampasimenano miray,
ka miara miantso:
"Inome!!Inome!!"...
...Izany re ka tovovavy...
...ô rey roy mba miangavy...
Te ahita indray ilay tsikiny aho
Zanak' i Taolagnaro
--------
Lien:
Catégorie :
Vavaka - Tsingerin-taona - Namana - Hanina - Fitiavana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - embona - Alahelo - Aingam-panahy