TRANO RAVA (Jinah MAHAZINA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRANO RAVA….. !
Mitomania ry tany ; …
Aza gaga ianao raha hanehoako ireo,
Tsy rivotra na afo no nandalo teo,
Tsy orana nifofo, tsy varatra nipoaka
Fa kokan’ny “Tadio, ka Gona Vetivety”
Mitomania ry tany;…..

Ravany io ny tafo, tsy misy varavarana,
Nazerany ny rihina, nadobony amin’ny tany:
Dia aza gaga koa raha lasa ny tolàna
F’any anjaranao dia sento sy tomany
Mitomania ry tany; …..

Ny hafanana tao, nondaosiny tsy hita;
Zay harenanao: tsy omby an-davitrisa
Hataony hafa-drakotra, ts’isy izay mpiahy
"Manara-penitra" hono zany f'aza manana ahiahy!.
Mitomania ry tany; …..

Ny lovan’ny taranaka, amidy antsokosoko;
Hatramin’ny hasinao no rava, hotohoto;
Ny sisa anjaranao: mihaino anganongano,
Mitafy rovintsihy, miandry vary mora, traboina, rava trano;
Mitomania ry tany; …

Mitomania ry tany, tafio ny lamba-tsaona
Tena lalina io ny fery, mihombo isan-taona
Miandrasa foana vonjy, izay tsy hohitanao;
Fa ‘lay trano vaovao tsy ho amin’ny andronao.
Mitomania ry tany; ….

Mitomania ihany, mitomania hatrany:
Fa ny foko koa tomany, tsy hahazaka izany.
…….Ry tany tokako aman-tany…….

Jinah MAHAZINA
Eropa, sabotsy 29/12/12
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1570 0
Commentaires
zkzandrykely ( 29/12/2012 17:38)
Misy sary trano rava izay miaraka amin'izy ity saingy tsy tafiditra eto!
lafseo ( 11/07/2013 04:31)


Gather a group of concerned residents. There's power in numbers. Share your concerns with each other about the traffic light. Compile any photo proof of accidents, injuries or speeding if possible. Thanks.
Regards,
interview transcripts

lafseo ( 11/07/2013 04:31)


Gather a group of concerned residents. There's power in numbers. Share your concerns with each other about the traffic light. Compile any photo proof of accidents, injuries or speeding if possible. Thanks.
Regards,[url=http://www.interviewtranscriptionservices.net/our-interview-transcription-services/]interview transcripts[/url]
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Jinah MAHAZINA
Inséré par : zkzandrykely
Date : 29/12/2012 17:35
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149