MADITRA MITOMANY (joseclaudio)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MADITRA MITOMANY
Tsy mbola nisy leitsy...
Fa aminy ialahy tena Andriamaniny.
Izy ilay isan'andro bedy noho ny hadalana,
manda izay fananarana natokana ho azy.
Izy ilay tsy tara tamin'ny fandrosoana adala,
nanenjika ny rehetra fa mety fivoarana.
Dia gaga izaho izaho...
Mahita azy mandohalika mitalaho amin'ialahy
mitomany fiverenana
satria tapitra ny lalana fa hiova ny fiainany.
Mantsy izy tamin'ireny
tsy niraharaha an'ialahy raha toa ialahy mba niteny.
Lasa Andriamaniny Ialahy,
itomaniny isan'andro hitoetra eo anilany
.
Niova indray ny rasa ka izy izao manenina reny vita ireny
ka ivavahany ialahy mba ho eo anilany
hanampy azy amin'izao izy ho lasa Reny.
Joseclaudio_08 Jona 2016
--------
Lien:
Catégorie : nenina - Fisarahana - Fitiavana
1510 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : joseclaudio
Inséré par : joseclaudio
Date : 15/07/2016 08:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138