Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY FOKO (Justin TAHIRISOA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOKOMiavaka ity foko,
Fo miankoso vato,
Vato vatosoa,
Vatosoa voaloko,
Loko meva, kanto,
Kanto tena soa.
Tokan-tsarobidy,
Sarobidy lafo,
Lafo ‘nefa mora.
Mora tsy voavidy,
Tsy voavidy f’afo,
Afo miava-tsora.
Fo maraki-tsento,
Senton’ilay osa,
Osa oriory;
Ory ka mametso,
Vetso kely votsa,
Votsa ngolingoly.
© Justin TAHIRISOA,
MARTSA 2018
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
