Tiako Nambinina (Kabiba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana hafa indrindra
No hitiavako anao
Tsara sy mirindra
Fitiavana vaovao.

Tsy mitovy ny teo aloha
Na efa nisy tany ho any
fa tsy manam-paharoa
Ka ahy sy anao irery izany.

Ry Nambinina fitiavako
Tiako ianao,eny tiako
Ka raha sitrakao re rahavako
Ndao hanaraka ny diako

Tsy vazivazy no nanolorana
Ilay foko ho anao irery
Ireo teny mamy sy ireo toky
Efa taty anaty ka tsy ho very
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1145 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kabiba
Nampiditra : Rakotoarinivo
Daty : 21/02/2006 07:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148