ITY FAHANTRAKO (Kally (Ikala))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY fahantrako !

Ho lazaiko anao ve ny momba ahy ? , ny tantaram-pianako ?
Manorisory!!
Ka sao ianao lahy tsy hahita tory!….

‘lay zanako iray vao teraka ‘zay,
kaozatina kely fa tsy ampy lanja,
tsy nisy herinandro dia nandao anay
fa tsy nahatanty tadio sy havandra .

‘reo sisa mba he! Notsimbinin’ny razana,
zara raha nianatra taona voalohany,
mirenireny, manao faingan-tanana,
ny ‘ray efa saika voakapa ny lohany.

‘lay zokiny indrindra nandeha nanambady:
lanona tsotra an’ny mpianakavy ,
naroso amin’zao tsy nisarom-boaly
ka olana be tamin’ny havan’ny vavy.

Mangidy tokoa raha dom-pahoriana
F’izany no hoe fara- fijaliana:
Ny tranovorona tsy palisandra,
Fa kesika simba no natambatambatra !
Ny tonga mamangy isaina amin-tanana
Ny fiaretantory tsy manasakalina
Tsy misy mofo ,tsy misy kafe,
Ny hira amin’zany dia jomaka be
Tsy fomba natao tamin’ny fanitrihana
F’ilay vata hazo no saritsarihina.

****

Ny asako ve no tianao hofantarina?
Batilazy, zorinia, sy fitaomana arina.
Ny andefimandry no mampalehelo
Fa mivarobarotr’eny an-joron-tsena
Mitrosa , miloka ary mitsabotelo,
‘manitra ianao! Aza mivarotena!

Ity fahantrako e! ity fahantrako!
Marina raha tsy toy ny fako?
Izaho ihiany ve no tojon’izany
Sa misy olon-kafa ‘ndray koa anihoany?
Ity fahantrako, ity fahantrana!
Mafy sy efa dia mampitomany.

johs
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
3215 1
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 09/02/2006 09:38)
tsara be ilay tononkalonao,mampalahelo be...tsy ianao ihany no tojon izany e!fa samy tratra daholo!
mahereza
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kally (Ikala)
Nampiditra : zazafaly
Daty : 08/02/2006 12:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096