DIA HO TSINIKO VE... (Lyandy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia hotsiniko ve.... ?
Dia ho tsiniko ve ...

Dia ho tsiniko ve ny mitia anao mangina
manonofy anao anaty alina toa sina,
maniry ihany koa ny hotiavinao
hosakambininao ... horohinao?

Dia ho tsiniko ve ny manara-maso anao
mampientana ny foko toa babonao,
maniry anao mafy ta hiaraka aminao
ka te hilaza aminao hoe:❤️Tena tiako ianao"?

Dia ho tsiniko ve ny mba haka ny laharanao
mba hiantsoako anao iny raha sendra ory ianao
handrenesako ny feonao kanto loatra
hampitony kely koa ny foko te hitroatra?

Dia ho tsiniko ve ny hitia anao malala
mba hizarako izay rehetra ao am-poko, manadala!
Dia hotsiniko ve ny hamboraka aminao ny faniriako hatr'zay
dia ny hiaraka aminao iriako ho mandrakizay ?

Lyandy, 15 Mars 2026
Fb: Ny Aingako
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
49 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Lyandy
Inséré par : Lyand2345
Date : 16/03/2026 07:43
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113