Ry tiako! (Lyandy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tiako! Efa ela ihany izay no naniriako ny mba ho sakambininao,
hankafizako izato hafanana avy aminao,
tiako raha mba izaho no hianoka ny teny mamy atolotrao,
miaraka amin'izato tsikinao malefaka.... tiako ny hiankina an-tratranao!
Ry tiako!
Oviana ianao vao mba ho avy anilako eto,
Hanfoana ny tomaniko sy ny sentosento,
ka hamborahako ny alaheloko, hizarako ny hafaliako,
hanamaivana ny tontoloko, hanafoana ny fijaliako?
Ry tiako!
Tsapako sahady anie ny hasambarako anilanao,
hiantsanao irzo angolan-teny maminao,
izay ho zarainao ho ahy hampitony ny ahiahiko,
hampientana ny foko, hankahery ny fanahiko!
Ry tiako!
Avia raiso ny tanako, andao isika roa
hamorona tontolo iray tsy manam-paharoa
hianoka ny tena fitia, hiventesanao ny ''tiako ianao''
hanambarako ny fitiavako tsy miova hatramin'izao!
Ry tiako!
Raha sanatria moa tsy anjara ny antsika roa
ny lanitra no aoka hampamokatra ny voa
ka hampitsiry ny fitia tsy mety maty hatramin'izay,
ka ny fitiavantsika roa hitoetra ''mandrakizay''
Lyandy, 25 Febroary 2026, 19:54
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
