Tsy resy (Lyandy)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maraina ity ny andro, andro vaovao no diavina,
Tsy maintsy miarina am-pandriana noho izato fitadiavana,
Fitadiavana ny soa sy ny mendrika ho an'ny tena,
Ary koa fijerena izay mba ho an'ny firenena.

Tafiana ny herim-po, atao nofy ny hakiviana,
Na dia hoe malaina koa , tsy maintsy eo ny fihafiana.
Ambony hatrany izao fisainana, tanjona tratrarina,
Ankafizina ny ANIO fa ny Ampitso tsy hay fantarina.

Dia lasa izao ny tena hiatrika ny adidy,
Rehefa avy niomana sy nikarakara ireto ankizy,
Izy ireo izay tsy hadino satria ireo no antom-pisiana,
Mahafola-damosina, iaretam-pijaliana nefa ahazoan-kafaliana.

Asiana korazy izay atao rehetra manomboka eo,
Ny resy tsy miady ,ny milefitra koa ary ny hoe "leo":
Tsy misy izany fa ny masaka ao an-tsaina?
Hiady aho ho an'ireto sombin'ny aina!
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fiainana
182 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Lyandy
Inséré par : Lyand2345
Date : 21/12/2023 06:36
Lectures
Lu par ikalamako
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145