...(HANDALO)... (Mahalia❤✨)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...(HANDALO)... ''Setrin'ny tononkalon' i Tsila Tolotriniavo hoe : "Zava-drehetra".Ny eto tsy miova fa mahatsiaro foana,
Fa giazan'adidy dia tsy afa-mitroatra.
Tsy hoe manadino raha tsy afaka mihaona;
Mba manina ihany fa tsy afa-manoatra.
Satriko indrindra ny handalo sy hitafa,
Hamangy sy hitsidika anao in-dray mandeha
Manahy aho kanefa sao hifoha eo ny lasa...
Ka handrehitra indray ilay fitiavana be.
(...)
Hitoetra ho mpinamana ve moa tsy ho vita?
Raha toa ka izay no tsy maintsy ho diavina,
Ny omaly izao 'nefa mamatotra antsika,
Mampiombona hatrany tsy manaiky lavina.
(...)
Fa tsy niova tokoa raha ny "zava-drehetra",
Fa mbola mijoro ary tsisy voafafa
Na izaho na ianao mbola samy poeta...
Mikalo sy mihira ny akon'ny lasa.
Ny akon'ny lasa izay tototra tsiaro
Ary antom-pisian'ilay Diarinao,
Hitady fotoana aho dia hiezaka handalo,
Hanandrana indray an'ilay molotrao.
Mahalia❤✨
17032025
--------
Lien:
Fans:
Djess
