VAIKA (Mahalia❤✨)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manempotra ny fokoNy tanjozotron-tsiaro
Mamikitra ny eritro.
Toa miadana fisoko
Kanefa mampimalo
Mandringana ny heriko
(ny onja atopatopany...)
Manjary mampanjahatra
Ity saiko toa tsy mino
Sy tsy mety resy lahatra,
Tsy manaiky hanadino
(ny fisarahan-dalana!!!)
Mahatsiaro anao hatrany,
Ary mino foana foana
Ny fitiavanao rehetra.
Hatrany mankamamy
Mitia antaranoana
"Ilay namanao poeta".
Mahalia❤✨
01022024
--------
Lien:
Catégorie :
Embona - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy - Fitiavana - Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Alahelo - Aingam-panahy
Fans:
Djess
