ANKOHONAKO (mandan'ny fo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity tononkalo, nosoratako ho an'ny ankohonako
hahatsiarovany ny ady izay notolaminay hatrizay
tao ny hafaliana, tao ny sento ary koa ny ankaso
izay nampiombona, nampifankatia anay

ny sedra nianjady, ny rahona nanarona
ireo tsiky nisoritra teny amin'ny tava
ora vitsy monja anefa toa nijanona
nifaly, miramirana, lay alahelo toa nisava

eny, sarotra ny tontolo niaretana eto an-tany
mafy ny fiainana nianjadin'ity ankohonako
fa hiezaka foana aho, ny amalifaly
fa ny sentoko, hezahiko ho takomako

ianareo dimby sy fara no tokiko rahatrizay
hamaly fitia izay sarobidy noho ny harena
fitia tsy mba atakalo, avy amin'ilay Ray
no nomeko anareo tsy noterena

eto ampamaranana aho ry ilay silako
dia mitso-drano anareo ho lavitry ny sorisory
ho miramirana hatrany no antenaiko
ka ny alahelo toa tsy hisy akory
--------
Lien:
352 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : mandan'ny fo
Inséré par : rwodyN
Date : 02/11/2022 20:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139