MANDAKO (mandan'ny fo)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDAKO

Mamiko tsy foiko raha ianao io malala a!
Ao anatiko ao no toa mila ho adala
Nihevitra ny tsy hitia intsony anefa tojo anao
Dia tojo tiana ka nitia tsy mba nolavinao

Anaty fo no toerana nomeny anao ry tiana
Na dia sarotra taizana ihany aza izy (am-po mangina)
Izy lay mora babo, sanatria raha hivadi-doko
Fa voady mandramaty no vavaka hitoloako

Omeko manontolo, atolotro ambongadiny
Mandan'ny foko raha ianao tsy misy tambiny
Ary koa atolotro tsy arahina alahelo fa
Hienik'afaliana, tsy hisy toloko sy toreo

Antenaiko ihany koa raha ianao irery
Lay tokana an-tany no hifanojo fitia tsy antery
Ianao lay nofinidy, ho doria tsy hifandao
Anaty fo hitohetra ampifaliana tsy ho lao

MANDAN'NY FO
18:29 26.06.23
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
187 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : mandan'ny fo
Inséré par : RwodyN
Date : 27/06/2023 16:58
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132