Didy faha-11 : aza miveraka (Mandefitra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Didy faha-11 : aza miverakaendrey!
satriko laingosana izato voninkazo
raozy vao mivelatra...toa ho ela vao halazo
vorona hary elatra, misioka ambony hazo
kanefa...
raha saraka amantaho ndrao ho mora maina
raha sinambotro sahady mety hiferin'aina
avela ngamba aloha hitombotombo saina
anjely!
ilay molotra manify, ny endrika marirana
ny volo bango tokana, famindra tsy sahirana
fiteny miangola...tsy matotra fa mirana
indrisy...
ny hafa no nioty, f'izaho indray no reraka
zary toa kamboty, niseho nahay nipetraka
kay moa zao no didy : aza miveraka!
--------
Lien:
Fans:
Mandefitra