Ho an'ny ankohonany (Mandefitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiainana mafaitra, rotoroto lava, tsy misy fitsaharany!
Rahoviana vao mba ho raitra, ho mirana ny tava, hivaly ny hasasarany?
Mikentrona ny andriny, mena ny fijeriny, maina koa ny molony
Vizaka ny sandriny, kely zato heriny, henjana ny tolony

Nefa vao mahita ny vady aman-janany, nisinda ny adin-tsaina
Ireo tokoa mantsy no hany mba fananany: silaky ny aina
Ny iray manafosafo, ny iray miangotingoty misangy eo am-pandriana
Lafo tena lafo, tsy voavidy vola ny anilan'olon-tiana

Ka na mangeroka aza, tsy maintsy ho sotroina ny ngidim-pitadiavana
Ekena fa sahaza, odiana tsy henoina, efaina amim-pitiavana
Ny Ray zay Mpampahery, Mpiaro sy Mpitahy ho hany fiononany
Hanome azy hery sy fahendrem-panahy : ho an'ny ankohonany.
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1643 2
Mpakafy: pissoa - zoky
Hevitra mandeha
pissoa ( 11/04/2008 17:05)
Tsara be !
Mandefitra ( 14/04/2008 05:02)
Misaotra an pissoa, mba nirediredy fa mafy ny fiainana hehehe
zoky ( 14/04/2008 07:15)
Marina zany,tohizo fa tsar
mikous ( 10/03/2010 09:42)
mikous!
Ny adinao anio, tsy adinony tsy akory fa hivaly tsy ho ela,
hamiratra sy soa ny ho avin-janakao sy izay ho taranany
koa miezaha hatrany anefa na izany aza, aza maharitra ela
ndrao tanin'olon-kafa no hasoavinao sy ho ireharehavany!

mandefitra ( 18/03/2010 12:23)
Misaotra an'i Mikous, sady mamely fantsy ihany an ... arotsahy lay sangan'asa aza ho jinery
fahamarinana ( 20/03/2010 16:39)
Atsia !! Kay miakatra koa ny Aingam-panahintsika ry Mandefitra ? Mahafinaritra e!:-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : Mandefitra
Daty : 11/04/2008 11:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144