Soron'afom-pitia (Mandefitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soron'afom-pitia

Jereko tsy faly … nefa raha miodina aho
Indro ny masony baribary fa toa mitalaho
Itsikiako tsy mirana … nefa zaho rehefa montotra
Hitako misompirampirana manaiki-molotra

F’inona ngaha ny zava-tadiaviny?
Zaho mody maty sa velom-pitia…
Sa andrasana hihintsana ve zato raviny
Vao hoe ahy io ry reto fa ndeso hankaty?

Dieny tsy mbola manetroka ny afo,
Mihetsika enao mba manampy kitay
Fa ny fitia na dia mitafotafo
Raha ratsy sorona ho faty eo indray

Sady izy malaza ho toy ny ketsa
Afindra any ankafa mba maniry ihany…
Tsy aleo ve dorana hitsetsatseta
Toy zay hanetroka mampitomany?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2199 1
Mpakafy: zoky
Hevitra mandeha
zoky ( 23/05/2008 09:23)
marina zany! fa zao koa tsarovy
Aza sodoka ny
afo mololo
miredareda nefa mora lany hafanana
fa aleo afon'ampombo
manetroka anaty fa mitahiry hafanana?

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : Mandefitra
Daty : 15/05/2008 11:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014