Fitiavan'ny tanora (Matody)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavana no afo mandoro ny tanora
Afo miredareda tsy mety moramora
Mampidoboka ny fo tsy an-kiato
Toa tena mamy ka tsy hatsatso

Midoboka ilay fo vao miserana ilay tiana
Mientanentan-kafaliana,toa lavim-pahoriana
Mihiratra ny maso raha mahazo ilay tsiky kely
Dia finaritra ery fa nandalo i Madimaozely

Toa mamy ery izany izy
Ka dia niaraka ireto ankizy
Satria tsy mbola nahita tahaka izany
Raha mbola niaina teto an-tany

Dia nandeha ny fotoana
Niara-dia teny foana
Miaraka sy mifampitaona
Dia toy izany isan-taona

Tsy ahoa-tsy ahoana eo
dia nisaraka fa leo
Asa, leo ny adim-piainana
Sa mba te hiova fiainana?

Toa nihalefy ilay hafanam-po
Izay noheverina fa tsy ho loa
Kanjo niova nangidy tokoa
Ka toa lasa nankarary fo

Tanora marina ka tanora
Mbola entin'ny fo goragora
Entin'ny fo taitra am-boalohany
Tsy mieritreritra afa tsy ny hanombohany

Tsy hoe vao midoboka ny fo dia mikorapaka
Ka mehevitra hoe izay ilay fitiavana
Any afara mantsy dia handrapandrapaka
Ireo ngidy sy faitra ka hoe tsy fitiavana

Fitiavana izy teo aloha
Fa niova ho fianan'amboa
Dia gaga sy sondriana avy eo
Ka manontany tena irery eo

Fahamatorana amin'ny lafiny rehetra
No takian'ny fitiavana tsy manam-petra
Fa tsy entin'ny fo taitra fotsiny
Kanefa avy eo atositosiny

Mahandrasa tantana fa aza maika
Ny fitiavana tsy tokony hampiraika
Fa Andriamanitra mandahatra ny vintana sy anjara
Minoa Azy fa adidiny ianao hatrany am-para

Ny fitiavana tsy natao hampijaly
Nomena antsika hampilamina ny tany
Ny fitiavana dia avy amin-janahary
Fitiavana manasitrana ny marary

Maholy Todison
(Matody)
--------
Rohy:
2496 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Matody
Nampiditra : Matody
Daty : 16/01/2014 14:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096