VERY HENA (Matody)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ritra,ritra'ny saka ny laoka
Dia lasa,dia lasa,lasa nitsoaka
Gaga,dia gaga,gaga i Mena
Fa tsy hita,tsy hita,tsy hita ny hena


Tezitra,tezitra ny iray trano
Fa ny vary,ny vary tsy misy fangaro
Romotra,romotra,romotra i Dada
Nanata-,nanata-,nanata-bava


Dia andeha,andeha,andeha hamono
'lay saka,'lay saka,nangalatra tono
Dia naka,dia naka an'ilay basim-borona
Ho tifirina, tifirina fa atao sorona


Nitady,nitady,nipepipepy
Nisava, nisava ny tampon-tanety
Nihodikodina,nihodikodina
Tsy manaiky,tsy manaiky sangodina


Hoe tsy avela,tsy avela,tsy avela
Fa hoe atao,atao,atao solon-kena
'lay saka,'lay saka,'lay saka nangalatra
'lay hena,'lay hena,'lay hena halatra


Hariva,hariva,hariva ny andro
Tsy hita,tsy hita,'lay atao fahandro
Dia nody,dia nody,dia nody maina
Fa reraka,reraka reraka ny aina



Very,very,very hono ny hena
Hena,hena,nangalarin'ny tena
Fa hoe tsy te, tsy te, tsy te hian-tsena
Sady te hihinana,hihinana toy ny mpanan-karena


I Dada, toa voa, voan'ny tazon-karena
Ka manao, manao, manao sain-kena
Be, be, be fitiavan-tena
Ka ny saka, ny saka avy no hamonoan-tena

Matody
(Maholy T.)
--------
Rohy:
1175 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Matody
Nampiditra : Matody
Daty : 24/01/2014 15:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137