RAHATRIZAY (MAZ RAMANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny fifamatorana,
Tsy izaho, tsy ianao.
Fa NY AINA no mametra
...ny kinasa ety antany
Satria tena tsy fantatro,
Tsy mbola fantatrao
...ny ho tohin'izay lahatra,
Na 'zay kisendrasendra, ao aorian'ny androany!

Raha ho lasa aho,
...dia hanadino ahy ianao
Hahita fiainam-baovao,
...tsy misy ahy intsony.
Hahatsiaro ihany angamba anefa,
...any andro, hoe nisy aho
...fa tsy very maina akory
Izay nankininao tamiko, nozaraiko taminao.

Mazàna mitomany
...rehefa hifandao
Satria tsy mahafoy
...ireo niarahana, eny, maro
Efa nisy nanampo,
...fa tsy nisy nanantena
Aherezo, tsofy rano,
F'izao no ora farany ninian-tsy nojerena.

Ka na aiza, na ho aiza,
...ahenoanao izao hira izao,
Dia ataovy foana antsaina hoe
...eo aho ho namanao
Satria, ao no misy
'zay rehetra nitiavanao,
...sy hahatsiarovanao ahy,
Rahatrizay...tsy ho eo intsony aho.

Ndeha izatsy izy, soavadia!
Hilaozy aho, mandehana
Aza miova, matokia.
Manantena mbola hihaona,
Fihino mafy aloha ny tanako,
...dia avotsory moramora!
Tsy te hino, fa tsy maintsy!
Mahereza, tsy hanadino aho...veloma!


09/01/2023
20 : 28
--------
Rohy:
449 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 09/01/2023 17:34
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145