Raha ho avy ny fotoana (Natiora Natoraly)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy ny fotoana tsy maintsy hialako ity tany mandalo
Dia aza itomaniana aho na kely aza fa tsy izany no tiko
Ka misotroa, mifalia, manasà olona maro
Fa tsy ho aiza aho akory fa ho any amin'ilay toerana niaviko

Raha ho avy ny fotoana hialako aina dia ity no tsarovy
Hoe mpivahiny isika ka mbola ho any @ izy Ray
Fa nirahiny isika mba hanao "mission" ka tsy maintsy hody
Ka aza variana fa katsao ihany ny mandrakizay

Fa ny faniriko raha toa sitrakao ry vady malalako
Tena mamiko indrindra nefa mavesatra eo @ saina
Tsy hanery anao aho fa omeko anao ny safidy malalaka
Hoe raha tonga ny fotoana dia eo am-pofoi ao no hialako aina
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Aingam-panahy
306 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Natiora Natoraly
Inséré par : Natiora Natoraly
Date : 13/10/2023 00:05
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132