Raha tia ahy ianao ry vadiko (Natiora Natoraly)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tia ahy ianao ry vadiko
Dia mandamina ny saiko
Raha reraka rehefa avy miasa
Manome izay zavatra ilaiko
Mba tsy hitadiavako any an-kafa

Raha tia ahy ianao ry vadiko
Dia manohana ara-bola
Rehefa tojo ny main-tany
Fa tsy sahirana midola
Ka izay vola tonga mora lany

Raha tia ahy ianao ry vadiko
Dia tsy mamono rehefa mamo
Tsy mila ady sy mivazavaza
Fa maika hody ato an-trano
Mitondra "gouté" an'ireto zaza

Raha tia ahy ianao ry vadiko
Dia manoro ny mpianakavy
Raha sanatria misy hadisoana
Miara-mibanjina ny ho avy
Fa tsy avy hatrany dia ho soloina

Raha tia ahy ianao ry vadiko
Tsy menatra mampiseho vady
Mijoro ho andrin'ny taranaka
Fa tsy sasatra manangana ady
Mamono vady imason-janaka
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fitiavana
339 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Natiora Natoraly
Inséré par : Natiora Natoraly
Date : 10/02/2025 15:37
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111