Ampidiro aloha ny tenimiafina
Embona (Nikalo Kanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanjary nangina sy tokan'ireryNy aminy sy ny tontolo rehetra
Nanjonitra maloka tsisy mpijery
Ny fiainany sarotra lavim-pitsetra...
Ho zary maloka setrin'ny fiaina
Raha tsy eo ilay finidin'ny tokana an-tany
Nanjary toa nofy tsy takan'ny saina
Fa tsiky ao anatin'ny maso tomany
Dia sarotra hadino ny lasa sy tsiaro
Ny fetram-pitia, tsy ho voafehy avokoa
Ka sorona anaty mifangaroaro
Mangidy ,mafaitra tsy telin'ny FO
--------
Lien:
Commentaires
raims randriamalala
(
11/06/2018 16:48)
mafinaritra izy zany namana a!
kanto01
(
24/06/2018 12:54)
Mankasitra ehh
