EKEKO (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO ?? (TONONKIRA)??

?'Lay feo reko teo,
Nofy no nandraisako azy
Fa Tonga saina Aho avy eo
Hay teny tsy nivazivazy ,
Hoe hifarana eto
Ny fifankatiavantsika
Hizarao roa,hitriatra

?Fa amiko,io fitiavana io
Tsy hiniana na an-tery
Fa natiora, atsimoky ny fo samy irery
Ka na aza mbola tiako ianao,
Dia manaiky Aho ny hifandao

?Ho ampirimiko ato am-poko
Ny fitia tokony ho anao
Ary hotohizako mangina
'Reo nofinonofy saika atao
Tsy akory asiana rahoraho
Ny fitia haorinao...

♥️Fa ny fo no misafidy
'zay hiara-hitempo aminy ao
Ny ahy fitia sendra fitia
Dia mba nivily tao
Raiso fa ho ateriko
'reo toky sy voady nomenao
Fa efa hisy hisolo ny toerako am'zao
Dia ho toy n'y tsisy Aho
Teo amin'ny fiainanao

?Ho ampirimiko ato am-poko
Ny fitia tokony ho anao
Ary hotohizako mangina
'Reo nofinofy saika atao
Tsy akory asiana rahoraho
Ny fitia haorinao.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

07 Septambra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
17 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0143