POETAN'I VAKINANKARATRA (NofenoinaNatiora)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETAN’I VAKINANKARATRAIanao mitsiriritra hoe: « Raha mba izaho mantsy no tiavina poeta,
Mahazo vetsom-po, angolan-teny sy ny etsetra,
Na ny anaranao, ny endrika sy bika, fijery sy famindra,
Dia hain-draonon-tiana
Ny mitanisa azy amin’ny kanto miady rima. »
Indrindra moa, poetan’ilay Vakinankaratra,
Raha manontany ianao hoe: « Izaho ity ary mba tianao tahaka ny inona? »
Dia ataony miady rima amin’ny fitiavany anao ireo karazana legioma.
Rehefa mitia dia tena tokam-po, tsy taitrana mpandalo,
Sady mitsoka ovy no miantsa tononkalo.
Izany aloha eo ihany...
Fa ilay mitia poeta tsy mora foana izany.
Vao misy tononkalom-pitiavana mivoaka, dia ny fo tsy mety tony:
« Aingam-panahy avy aiza? Dia vetsom-po atolotra ho an’iza indray izao itony? »
Raha toa ianao ka manam-pitiavana poeta,
Aza menatra mamboraka,
Fa sitrany ahay, na dia ny anaranao aza mba hisarintsary anatin’ny asa soratra.
Ranomaso an-tsoratra, toa aingan’ny poeta,
Asaiko ianao hianoka ireo kaloko rehetra.
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
05 Septambra 2026
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
