TAOLANA NY NIFY (NofenoinaNatiora)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAOLANA NY NIFY

Lasa tsikinao an-tsaina,
Ny fiantefa'ilay tsikiko
Anaty zavon'ny maraina
Maimaim-poana tsy nasitriko

Mora am'ireto firafitry ny nifiko
Ny hoe manapoitra tsiky kely mamy
Fa kosa vesatry ny misiko
Ny manambatra hery hahatontosa izany

Tsy ny mandray no mahasambatra fa ny manome,
Ka na aza molotra mihidy no setry avy aminao dia...
Faly aho nanolotra, tsy akory vola be
Fa tsiky monja ihany

Raha samy hitsiky irery,
Dia andao hiara-hitsiky
Hanapoitra tsy an-kiteny
Ireo natioran'ny nify.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
06 Febroary 2026
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
24 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114