Ampidiro aloha ny tenimiafina
IANAO NO TIANY (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy omeko tsiny,Raha toa ianao no tiany,
Fa tsy izaho velively;
Mantsy ialahy jejojejo kely :
Tsara fitafiana ,
Manaitra, mahavariana;
Toa taratra masoandro...
Fa tsy toa ahy malotoloto akanjo.
Dia tsy omeko tsiny,
Raha toa ialahy " tsôdainy " ,
Satria ialahy mifanaraka amin'ny sainy :
Zanaky ny mpanana, zanaky ny ambony,
Ka raha rariny raha toa tiany sy tsy foiny.
Satria afaka mividy,
Zava-tsarobidy :
Volamena, ranomanitra...
Fa tsy toa ahy zanaka mahantra.
06/06/18
--------
Lien:
Fans:
NpAugust1
