MAMPIONON-TENA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry masoko mahatazana rehefa zava-misy;
Iangaviako ianao, mba mikipià mihitsy!
Aza mijerijery, aza midiridiry:
Ndrao tsy ho zakanao ny hahita ny olon-tiany.


Dia ô ry sofiko mandre!
Maheno rehefa feo,
Aza hainoana akory ny resak'izy ireo.
Ndrao tsy ho zakanao ka ho loza avy eo!


Ary ianao ry foko izay mangina,
Nosoparam-pahoriana,
Etsy miarenà, aza kivy izany.
Mangina ô ry foko! Aza mitomany!


Dia ô ry saiko mahonena;
Avià mampionon-tena!

18/11/17
Tamin'ny 9 ora sy sasany maraina
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
305 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117