NAMANA TALOHA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny mbola kely toa tsaroako erÿ;Isika roa tena nifankatia!
Mpinamana eny foana:
Ora sy fotoana...
Nifandray hatrany,
Niara-nilalao teo an-tokontany.
Dia niredona izay tsy izy...
Eh!... Fony mbola ankizy!
Kanefa izao isika efa samy lehibe;
Ianao koa toa lasa niova be.
Zary lasa kaodikaody:
Nanaraka lamaody!
Manao lokomena ary kavina...
Ka toa lasa miavonavona.
Tsy mba miarahaba:
Nanadino angamba!
Dia iny fa mandalo, miavona tokoa;
Kanefa retsy ianao no mba namako taloha!
09/09/17
Tamin'ny 8 ora maraina
--------
Lien:
Fans:
NpAugust1
