TSY AVELA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza tezitra ry zanako,
Fa matoa ianao sakanako;
Tsy handehandeha:
Amin'izato alim-be.
Dia misy antony ao,
Tsy mbola takatrao.


Fa ny hany tsinjonao,
Dia ilay fety be mafana,
Miaraka amin'ireo akama.
Hitsena an'ilay taona...
Nefa retsy aky,
Maro ny olon-dratsy amin'izao fotoana.
Ka tena mialatsiny,
Fa tsy tiako ianao ho matimaty foana.

31/12/17
Tamin'ny 7 ora maraina
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina - Fananarana
123 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121