Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSY AVELA (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza tezitra ry zanako,Fa matoa ianao sakanako;
Tsy handehandeha:
Amin'izato alim-be.
Dia misy antony ao,
Tsy mbola takatrao.
Fa ny hany tsinjonao,
Dia ilay fety be mafana,
Miaraka amin'ireo akama.
Hitsena an'ilay taona...
Nefa retsy aky,
Maro ny olon-dratsy amin'izao fotoana.
Ka tena mialatsiny,
Fa tsy tiako ianao ho matimaty foana.
31/12/17
Tamin'ny 7 ora maraina
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina - Fananarana
Mpakafy:
NpAugust1
