JAMALA (Ny Aloka Tarabolana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... JAMALA ...Sakaizan'ny molon'ny mboto
Nahamenan'ny mason'i Ikoto
Ny vovony no nohorofony
Mbola nampiany fonosany
Tontolo hafa hono no hiainany e!
Tontolo any ivelan'ny tany
Nietry ny fotom-pisainany
Nangina ilay saika tomany
Dia izaho indray no endrikendrehiny e!
Lazainy mifoka jamala
Nefa ny tsy mba niarehany
Tsy aiko ny tsiron-tsigara
Ny tavan'i Ikoto mibonaka
Ny setroka mbola nadonaka
Jamala io izao no dorohana
Ny "ambero" etsy mbola bobohana
Lanin'ialahy io ny raviny
Voatelin'ialahy koa ny voaniny
Parasy mipitika,laviny!
Lazainy fa biby amin'ny taoniny
Io no aferan'ny ngetroka
Mahatonga azy hanana drala
Zavatra hadonaka setroka ho'aho
"Raràna ny mifako jamala"
NY ALOKA TARABOLANA
--------
Lien:
Catégorie :
rindra - Hatsikana - tsara - Fety - Tsingerin-taona - sitraka sy setriny - Fiderana - Tontolo iainana - vazivazy - Kolontsaina