IZAY MBA ERITRERITRAO ( Album Nofy sy Tamberina ) (NY Andri-Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY MBA ERITRERITRAO

Nohariana hiara-monina
Itony velona rehetra ?
Ka na biby io na olona !
Vala iray hiara-itoetra .

Ity gilaoby no natao
Fahitra iririavana ?
Dia nivelona sy niaraka ;
Tamin'ny fo ombam-pitiavana .

Voka-dratsim-pahotana
Hovitrovitra , ahiaihy ,
Niterak'asa ratsy koa ;
Sotasota , adilahy .

Nifandrafy noho izany
Ny ankohonana tetoana .
Ny olombelona avy koa ;
Nifandramatra . Nahoana ?

Fa nanjaka tao am-pony
'zany avonavon-dratsy .
Ka niteraka fialonana ,
Fitiavan-tena hifandrafy .

Fiaraha-monina vaovao
Manan'endrika hafa kely ,
Fiaraha-monina mifono ady!
Tsy mora velively .

Fa ny iray tampo
No nataony hala -zovy ,
Nientana avy hatrany ;
Velona ny ady angovy .

Rà mandriaka , dradradradra
Alahelo sy tomany ...,
No nanenika ny tany ;
Hatrizao ka hatrizay .

Ravarava ny tànana
Potika izay tsy izy .
Nampitondra faisana...,
Tra-kilema ireony ankizy .

Raha ny ady no namontsana
Ndeha re hamongotra .
Ka ny ao am-po....;
Diovy io ho tena fototra !

Hovelomina ao anaty
Ny fitiavan-drahalahy ,
Fiaraha-monina omabm-pitiavana?
No haorina zalahy !

Io mantsy no vato fanorenana
Ka na fahavalo aza...
Mba azo hitenenana ;
Sy manarona ny ratsy !
Irony heloka tsy ferana .




Mandritsara . 2002 Ny Andri-fara
--------
Lien:
46 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0407