RAHA MBOLA VELONA AHO . ( ALBUM ALOKA SY TSIKY.) (NY Andri-Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA VELONA AHO

Raha mbola velona aho
Ireto no iriako :
Ho an'ireo taranako ;
Hitahiry am-pifaliana ,
Izay rehetra nosoratako .

Raha mbola velona aho
Inoako mandram-pahafatiko
Handosi-pahotana..;
Ny ditra maro hadalana ,
Nolovako tamin'ny razako .

Ka ny marika handreko
Hanahafako ny tsara,
Hanaiky anao ry Tompo !
Sy ho Andriamanitro ;
Ianao Jesoa no mba Andrianiko .
...dia izaho hanompo ,
Hanabe voho ny tany
Izay no faniriako .

Tsy hisy intsony ny tomany
Hiadana ny tany
Foana hatreo ny ady lava,
Herisetra , famonoana
Vaki-trano fanendahana .

Tsy ho nofy koa
Hoa avy Ianao !
Tsy ho ela ;
Raha mbola velona aho
Ny faniriako ?
Ianao Jesoa no Andriamanitro

17.04.05 Ny Andri-Fara
--------
Lien:
125 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015