TSY REKO INTSONY ( ALBUM : AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY REKO INTSONY

RESY...!
Izay no reko tato ho ato
Hatramin'izay tsy nahafantarako ,
Fa hay ianao tsy mbola baboko .

Dia naleoko tsy niteny
Ka nampijaly 'ty foko manirery ;
Fa tiako ho tsapanao ,
Fa resy aho noho ianao .

Mino aho fa tsy hisy intsony
Vetsovetso tsy hay ambara
Faharesena hita taratra ,
No hany sisa mba ho anjara

" Iza intsony no antenaina...
Fa tsy azo ambara ilay lazaina ? "


14.10.1999 Ny Andri-Fara
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
168 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153