VENTSO HO AN'I AKO ( ALBUM ALOKA sy TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VENTSO HO AN'I AKO

Ako..Ilay anarana tsy foiko
Fony tao anaty nofy...,
Ako...Tsy tantiko jerena ;
'lay endrikao fa kanto ,
Ka menatra ny foko .

Nahoana ange ianao
No toa tsy nahatsiaro
Ilay fitiavako mangina ;
Ninoako ho fantatrao .

Fa ny foko sy ny saiko
Isan'andro vaky izao ...,
Dia nahatsiaro anao ;
Fa sambatra ny lalana diavinao .

Ako a! tsy tia ahy ianao
Tiavo ilay notiavinao ,
Dia adinoy ny anarako ;
Fa ny anaranao tsy ho faty ato am-poko .


03.05.2004 Ny Andri- Fara
--------
Lien:
183 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016